RECHERCHE SUR LES VEGETAUX ET LES ANIMAUX

1.       Antsopatika-arongana-dindemo ( tsy latsahambaratra) :

Ireo dia samy hazo fahita aty amin’ny faritra analasoa ary mitovitovy ny fomba fihainany. Ampiasainy izy ireo, araka ny fomba fitsaboana nentimpaharazana (tambavy) izay tsy mila mpanandro akory fa olona mpanotra no mampihinana azy, entina hanalana na hanamaivana arerahana mianjady aman’olona iray na maromaro.

Toy izao ny fampiasana azy :

·         Malaka ravin’arongana (vololony) fito(07)

·         Malaka ravin’antsopatika maromaro

·         Ary ravina dindemo na tsy latsahambaratra iray (01)

Alaina ireo rehetra ireo samy miaraka andrahoina ao anaty vilany iray ary atao antonontonony ny rano mba tsy hatsatso loatra. Andrahoina maharitra 15 mn.

Rehefa masaka avy eo dia avela mangatsiaka ary misotra iray tasin-kafe intelo isan’andro ny olona iray mandritry ny roa andro na mihoatra arakaraky ny asa aaon’ilay olona. Azo atao ny misotro azy matika na mandritry ny herin’endo iray

FANAMARIHANA:

Ny antsopatika: dia hazo maharitr ela sady mafy izy io, ela vao maventy. Misy atiny (tezany) mainty izay antoky ny fahamafisany izany ary alain’ny olona io atiny io atao trano ka maharitra hatraminy faha 100 taona tsy lo ao anaty tany. Misy ditiny fotsy izy io ary azahoana tady mafy be ny hodiny izay misy io ditiny io.Ahitana azy ion a min’ny savoka fa amin’ireny atiala velona ireny vao ahitana ilay tena maventy

Ny arongana: dia hazo amin’ny savoka izany hoe tany ef nandalovana fandripahana vao tena ahitana azy betsaka. Misy ditiny mene ny arongana ary tena miraikitra amin’ny lamba izy io sady tsy afaka esorina intsony.

Ny dindemo: kosa manana ravina maventy ary ahitana azy na amin’ny atiala velona na amin’ireny savoka ireny.Misy odiny matevina izy ary misy zavatra malailay be io hodiny io.

Koa samy hita ato analasoa ireo hazo telo(03) azo atao fanafody ireo ary tena fampiasa indrindra ireo mpanotra no matetika maniraka mampiasa azy.

2.       Voatodinga na Nanto voraka na Voandrononoka:

Ny voatondinga dia tahaka ny hazo rehetra eny anaty hala voajanahary. Hazo maharitra izy io ary hifampitadiavana mihitsy hanorenana trano matanjaka nefa misy ilay antsoina hoe nanto lohindrina. Ny voatondinga dia tahaka ny antsopatika miaraka amin’ny arongana ary dindemo ny asany, izany hoe hanamaivana sy manala harerahana.Mitovy ny fomba fandrahoana azy sy ny fihinanana azy fa kosa ny hodiny no Alaina atoko.

Alaina ny hodiny dia ayoko maharitra maromaro minitra, ary avela mangatsiasiaka vao hosooina iray tasy isaky ny misotro olona iray.

3.       Radriaka:

Ny radriaka dia hazo tropikaly izay tsy fahita raha tsy amin’ny savoka. Mamono zanak’azo hafa ka matetika izy irery ihany no manjaka. Na izany aza dia ilaina izy io atao fanafody fa matetika tsy ampiasain’olona izy io ra tsy ny olona mipetraka antila ireny.

Toy izao ny fampiasana azy io: Raha misy vay vao (tapaka, nakola, na zavatra hafa) dia Alaina ny ravin-dradriaka maromaro ka kosehina elehela mba ho tonga misy rano, ary Alaina io rano io ahositra amin’ilay vay vao (mangirifiry ny vay raha nomby azy).

Manidy masonkoditra izy io ka misakana ny ny ra tsy andeha amin’izay tsy be ny ra very.

4.       Karakara toloho:

Ny karaakaratoloho dia karazana vahy madinika fa mafy izy io . Ampiasain’ny olana izy io hamatorana zavatra toin’ny famovona trano, moson-dentisy,……..

Ampiasaina koa izy io atoa ody lefak’ozatra